Gasy Serasera eto Frantsa

Ity groupe ity dia natokana ho an'ny Malagasy eto Frantsa (Métro...pole + Dom Tom) sy Europe ihany koa
- Ity vondrona ity dia apolitique (information na analyse politique mety fa ny maneho ny antoko politika tsy ekena), tsy misy resaka fivavahana ( manao toriteny, mandefa versets bibliques, maneho ny antoko mpivavahana,...), ny propos racistes tsy ekena eto @ GSF, incitations à la haine,.... Ny fifanalam-baraka tsy azo ekena, toy izany koa ny sary mamoa fady, na horonan-tsary mahatohina ny mpikambana.
- Tsy ekena ny manaratsy olona mivantana na ankolaka na koa miresaka fiainan'olona.
-Izay manohitra ny fifampifehezana, dia voafafa avy hatrany ny sorany. Ary izay tsy manaja fiaraha-monina ka mety hitarika korontana dia asaina manala tena, na esorina avy hatrany.


-Ny tanjona dia hifampizara ny mahasoa ny mpiray tanindrazana eto Frantsa (kolontsaina, conférence, fihaonana, service, asa, créneau [colocation, location], promotion, fety, sns......).
-Ho an'ireo mpivarotra dia indray mandeha ny filazana samihafa @ seho/fampisehoana iray no avoaka eto @ vondrona, na afaka manokatra album dia iny no ampina fa raha miverimberina ny fandefasana ilay dokambarotra dia ho voafafa. Azo ekena ny dokam-barotra isan-karazany , saingy tsy atao matetika mba tsy hahafeno ny rindrintsika

Maro tokoa ny zavatra afaka hifampizarana eto
Fifanakalozana am-panajana hatrany.

Manaja ny fahasamihafana ny mpikambana eto @ ity groupe ity.

NB : 1. Ny admin GSF dia tsy mifanaraka ary tsy miara miasa amin'izaniza amin'ny resaka varotra miodinkodina eto (poids entana, efitrano ahofa, devise atakalo, sakafo amidy, sns). Koa raha sanatria misy an'ilay "indro kely" dia tsisy azonay atao. Raha hitantara alahelo @ MP kosa tsy maninona fa hiaino zahay, mba hanamaivana an'ilay vesatra fotsiny ohatra.
2. Ny groupe-tsika dia groupe fifanakalozana, fizarana ny mahasoa ho an'ny rehetra. Ka raha mety re azafady, raha mahita vahaolana ho an'ny topic iray mila vonjy tsika dia ataovy eto ampahibemaso ihany mba ho hitan'ny besinimaro fa tsy mifampitarika MP. Mety misy mila io valiny io koa azy ho any.
3. Mba iangavina mba hametraka sary mazava tsara (oh: misy sary hoe mipetraka aty Frantsa) izay mangataka te hiditra ary koa izay mampiditra namana eto @ GSF dia mba olona mipetraka eto Frantsa no hampidirina satria raha tsy mahita porofo ny admins hoe mipetraka aty ilay olona dia tsy ho tafiditra ato.
4. Ho an'ireo mpikambana GSF ka nody any Dago dia tsy manala azy ireo admin fa manan-tsafidy malalaka na hiala na hijanona eto @ vondrona.

Soa ny fiarahatsika ! (mba hindramina ny slogan'nyTHB).

==================================

- Liens utiles:
https://www.facebook.com/notes/gasy-serasera-eto-frantsa/liens-utiles/666193876746067

- Boutiques et vente en ligne des produits malgaches:
http://on.fb.me/1Af0aTY

- Aide juridique pour les titres de séjour et régularisation:
http://on.fb.me/1JRv9La

- PASSEPORT ÉLECTRONIQUE MALAGASY:
> http://on.fb.me/1DAl2W6
> http://on.fb.me/1GGztPC